Eksodosy 6:23 - DIEM PROTESTANTA23 I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Jereo ny tokoBaiboly Katolika23 I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 Ary Arona naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible23 Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache23 Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy. Jereo ny toko |
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.
Ary hoy kosa i Mosesy tamin’i Aharôna sy tamin-dry i Elehazara sy i Itamara zanany roa lahy hafa: –Aza avela hirakaraka ny volon-dohanareo ary aza triarina ny fanamianareo, fandrao dia ho faty eo koa ianareo sady hiharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireto Israelita rehetra tafangona. Fa ny mpiray firenena aminareo, izany hoe ny taranak’i Israely rehetra, no aoka hitomany, noho izy roa lahy nofaizin’ny TOMPO tamin’ny afo mandoro.
«Amin’ny lafiny atsinanana no hisy ireo tafika lohalaharana mivondrona ao anatin’ny tobin’i Joda, ka ahitana mifanila ny tafika jodeanina sy jisakarita ary zebolonita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Joda dia i Nahasôna zanakalahin’i Haminadaba, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 74 600; ho an’ny fokon’i Jisakara dia i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 54 400; ho an’ny fokon’i Zebolòna dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, miaraka amin’ny vatan-dehilahy 57 400.