Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 6:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona ka nanome teny azy momba ny Zanak’Israely sy momba an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny Zanak’Israely avy amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ary nanafatra azy ny amin’ny zanak’i Israely, sy ny amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak’i Israely, hiala amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ny Zanak’Isiraely sy ho amin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, mba hitondra ny Zanak’Isiraely hivoaka avy amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona ka nanome teny azy momba ny Zanak’Israely sy momba an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoahana ny Zanak’Israely avy amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 6:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny Tompo handidy ny anjeliny hiahy anao mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;


Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?


Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.


Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»


ary hoentinao eo anatrehan’i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo ka hotokananao handimby anao eo imason’izy ireo.


Ary rehefa nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.


sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,


Eo imason’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa ary ny anjely masina no ameperako mafy anao: tandremo tsara ireo torohevitra ireo, ka tsy hisy fizahàn-tavan’olona na fiangarana amin’izay ataonao.


Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato:


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika.


Izao no anafatrafarako anao mafy eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa, Ilay hitsara ny velona sy ny maty, ary koa noho ny andro hisehoan’i Kristy sy hahatongavan’ny Fanjakàny:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra