Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 6:20 - DIEM PROTESTANTA

20 I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary i Amrama dia naka an’i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy taminy izy. Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Amrama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Amrama naka an’i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Amrama naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary i Amrama dia naka an’i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy taminy izy. Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Amrama.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 6:20
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.


Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.


Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.


Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebrônita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Kôrahita. I Kehata no niteraka an’i Hamrama


izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.


Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.


Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra