Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 6:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’NY TOMPO hoe: Ento ny Zanak’Israely hivoaka avy any amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’Isiraely hivoaka avy any amin’ny tany Egypta araka ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’NY TOMPO hoe: Ento ny Zanak’Israely hivoaka avy any amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 6:26
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia vita ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.


Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.


Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.


I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.


«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.


Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.


Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: –TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?


Dia nilaza tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.


Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.


I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.


Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.


dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta.


Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.


Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy.


Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo.


Ary hoy ihany i Samoela tamin’izy ireo: –Ny TOMPO no vavolombelona, dia Izy izay nifidy an’i Mosesy sy i Aharôna, ka nampiakatra ny razanareo hiala tany Ejipta.


Rehefa tonga tany Ejipta ry Jakôba, dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny razanareo; koa nandefa an’i Mosesy sy i Aharôna IZY hitondra azy hiala tany Ejipta ary hametraka azy amin’ity tany ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra