Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 6:29 - DIEM PROTESTANTA

29 dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Izaho no TOMPO. Lazao amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 6:29
15 Rohy Ifampitohizana  

–Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita.


Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO».


Tamin’ny andro izay nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany Ejipta,


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»


Ambarao amin’i Aharôna rahalahinao izay rehetra handidiako anao, ary izy kosa no hiteny amin’ny Farao mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.


Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.


Avy eo dia mankanesa any amin’ireo babo izay isan’ny mpiray firenena aminao, ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY.› Mitenena aminy na hihaino izy na tsy hihaino.»


«Ry ilay taranak’olombelona, ataoko mpitily ho an’ny Israelita ianao; koa hohenoinao ny teniko ary hampitainao aminy ny fampitandremana avy amiko.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra