Hoy izy: «I Iaveh no harambatoko sy trano mimandako ary Mpamonjy ahy. Napetrany eo amin’ny malalaka aho, ary novonjeny, satria sitrany. Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh, namaly ahy araka ny hadiovan’ny tanako. Fa nanaraka ny lalan’i Iaveh aho, ary tsy nanao ny ratsy izay hanalavirako ny Andriamanitro. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nihatahako. Tsy nanan-tsiny taminy aho, ary nitandrina mba hanohitra ny haratsiako. Namaly ahy araka ny fananako ny rariny i Iaveh, sy araka ny fahadiovako eo imasony. Ny tsara, isehoanao ho tsara, ny olo-marina isehoanao ho marina, Ny madio isehoanao ho madio fa ny fetsy ratsy anaovanao an-kafetsena. Ny vahoaka manetry tena vonjenao, fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin’ny fanandrinanao. Fa ianao no faniloko, ry Iaveh ô! I Iaveh no manazava ny haizina momba ahy. Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana. Izy no ampingako sy tandrom-pamonjena ahy, toerana avo fandosirako sy fialofako. Ry Mpamonjiko ô, Ianao no nahafaka ahy tamin’ny fahasiahana.
Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra, fa avy aminy no iavian’ny fanantenako. Eny, Vatolampiko amam-Pamonjena ahy Izy, Trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.
Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
Nataon’i Davida. Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko, izay nampianatra ny tanako hiady, ary ny rantsan-tanako hiantafika.
ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka Azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.
Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.
Andriamanitra... lavorary ny lalany; azo antoka ny tenin’i Iaveh, ampinga Izy ho an’izay rehetra mifefy aminy.
Nataon’i Davida. Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô, aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko, fandrao raha mangina Ianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
Ho velona anie i Iaveh ary hankalazaina anie ny Vatolampiko! Andriamanitra vatolampy fialofako, hankalazaina anie Izy!
Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy, izay ho azoko handosirana mandrakariva. Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao, fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Nandao ny Vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao, tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao. Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao, ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy i Iaveh, ny antoandro; teo amin’ny molotro ny hirany, nony alina;
Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! vonjeo amin’ny fahamarinanao aho. Akory ny haben’ny hatsaram-ponao, izay tahirizinao ho an’ireo matahotra Anao, izay asehonao amin’ireo manao Anao ho fialofany, eo imason’ny zanak’olombelona! Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; mpampiery azy ao an-dainao Ianao, mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy. Hisaorana anie i Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda. Hoy aho tamin’ny fahatairako: «Nariana lavitra ny fijerinao aho!» Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako Ianao, nony nitaraina taminao aho. Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona. Matokia ary mahereza fo, ianareo rehetra manantena an’i Iaveh! Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
Hoy i Iaveh: «Indro misy fitoerana eto akaikiko, ka hijanona eo ambony vatolampy ianao; ary rehefa mandalo ny voninahitro, hataoko ao an-tsefatsefa-bato ianao, dia hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko;
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Amin’izany ianareo hiventy hira, tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh hanatona ny vatolampin’i Israely.
Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho amin’ny andron’ny fahoriana; hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy Izy.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Fa tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’izy ireo: vavolombelon’izany ny fahavalontsika.
Fa iza no Andriamanitra raha tsy i Iaveh ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.
Raha vao milaza aho hoe: «Mangozohozo ny tongotro», dia tohanan’ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!
Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana. Izy no ampingako sy tandrom-pamonjena ahy, toerana avo fandosirako sy fialofako. Ry Mpamonjiko ô, Ianao no nahafaka ahy tamin’ny fahasiahana.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa; ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ianao, ry Iaveh, no nataoko fialofako, aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho! Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko, ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko, manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!» Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitra, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho menatra sy ho levona, izay mitady ny aiko! Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka, izay mitady hahavery ahy. Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra. Ny vavako hitory ny fahamarinanao, mbamin’ny fanambinanao tontolo andro; fa tsy hitako izay isan’izany. Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery. Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny! Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy. Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, Ianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? - Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho, ka afaho! Atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Fa ianao efa nilaza hoe: «Fiarovana ahy Ianao, ry Iaveh!» Nanao ny Avo Indrindra ho fialofanay ianao.
Dia hiteny izy hanao hoe: Aiza izay Andriamanitrareo? dia ny vatolampy nialofany,
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Asehoy ny hatsaram-ponao, Ianao izay mamonjy ny mifefy ao amin’ny tananao ankavanana, tsy ho azon’ny fahavalony.
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.
I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako.
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Maro ny milaza ny amiko manao hoe: «Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra!» - Selà
Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.
Ianao no trano mimanda ho an’ny osa, trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany, fialofana amin’ny hainandro midaindaina, fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.
Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.
Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
Izao no tenin’ny tononkira nataon’i Davida tamin’i Iaveh tamin’ny andro namonjen’i Iaveh azy, tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra sy tamin’ny tanan’i Saola.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Mitaraina aminao aho atỳ am-paran’ny tany, ao anatin’ny fahorian’ny foko; ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho. Fa Fialofako Ianao, Tilikambo mafy misakana ny fahavalo.
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina. Fa Ianao no vonjiko, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.
Fihirana nataon’i Etàna, Ezrahita . Ianao no mamolaka ny fianjonanjonan’ny ranomasina; Ianao no mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany. Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao. Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy. Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao. Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao. Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh! Mifaly mandrakariva amin’ny Anaranao izy; ary misandratra amin’ny fahamarinanao. Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay. Satria avy amin’i Iaveh ny ampinganay; ary avy amin’ilay Masin’i Israely ny mpanjakanay. Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho: hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
Mamindra fo sy miantra i Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po. Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay.
Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana. ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao. Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo ama-mpanafaka ahy, ampingako ama-mpialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny. I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
Dia ho fitoerana masina Izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an’ny firenena roa amin’i Israely, ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.
Voazaha toetra tamin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra; ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Fa i Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afovato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.
Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika. Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay Anao!
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Miderà an’i Iaveh, ry fanahiko. Mpanjaka mandrakizay i Iaveh, Andriamanitrao amin’ny taona mifandimby Izy, ry Siôna. Aleloia! Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.
Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy; ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely: nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;
Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy; fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo; mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»
Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany. Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra, dia nangina ny onjan-dranomasina. sy nangoniny avy any amin’ny tany rehetra, avy any atsinanana sy andrefana, avy any avaratra sy any amin’ny ranomasina. Nifaly izy ireo nahita ireo nitony, ary nentin’i Iaveh, ho amin’ny fitodiana niriny izy.
Noho izany dia hidera Anao aho, ry Iaveh, eo amin’ny firenena, hihira ho an’ny voninahitry ny Anaranao aho.
ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina; fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy.
Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida. Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.
Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy; hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.