Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 51:1 - Baiboly Katolika

1 Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 «Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 «Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 MIHAINOA Ahy, hianareo izay miezaka mitady fahamarinana, Dia izay mitady an’i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo Sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 51:1
29 Rohy Ifampitohizana  

ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.


fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy.


Toy izany ny taranak’izay mitady Azy, dia ireo mitady ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba. - Selà


fa tsy maintsy hifanaraka amin’ny rariny indray ny fitsarana, ary hihoby amin’izany avokoa ny olona mahitsy fo.


Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.


Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.


Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»


Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.


«Mihainoa Ahy, ry Jakôba, sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.


Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna Aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.


Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan’olombelona; na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.


Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.


Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry, ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby, ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.


Tadiavo i Iaveh, dia velomy ianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin’ny taranak’i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, i Betela.


Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!


Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.


Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.


satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.


Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika,


Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako;


Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.


Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.


Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra