Fahiny ela be, voarara ny dihy tao amin'ny toeram-pivavahana, na tao amin'ny fitoerana masina, na tempoly, na synagoga, ary na dia tamin'ny fiangonana voalohany aza. Ankehitriny anefa, lasa fomba iray fiderana an'Andriamanitra ny dihy, maneho amin'ny vatana izay tsy hain'ny teny ambara.
Fomba anomezam-boninahitra an'Ilay Avo Indrindra ny dihy, anehoana ny fifaliantsika sy hankalazana ireo fandresena omen'Andriamanitra antsika isan'andro. Tadidio tsara fa voaresaka voalohany ao amin'ny Baiboly ny dihy rehefa niampita ny Ranomasina Mena ny Israelita. Ao amin'ny Eksodosy 15:20-21 (DIEM), voalaza fa nandray amponga kely i Miriama, anabavin'i Arona, ary nanaraka azy koa ireo vehivavy nitondra amponga kely sy nandihy, nihira ho an'i Jehovah noho ny fahalehibiazany sy ny nandreseny ny tafiky ny Ejipsiana tao amin'ny ranomasina.
Mahavariana fa teny an-kalamanjana no nanaovana io fankalazana io, mampiseho fa tian'Andriamanitra hankalazaina am-pifaliana sy amim-boninahitra ary amin'ny fo falifaly izay rehetra ataony ho antsika, hiainana ny fahafahana tanteraka.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.
Nony tonga hatrany an-tanànan’i Davida, ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanakavavin’i Saola, ka nony nahita an’i Davida nitsinjaka sy nandihy izy, dia nikizaka azy tao am-pony.
Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka! Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena!
I Davida sy ny taranak’i Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin’ny hazo sipre, ny harpa, ny valiha, ny ampongatapaka, ny sistra, ary ny kipantsona.
Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.
omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iaveh mahery sy mahefa, I Iaveh mahery an’ady.
Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.
mba hanobohanao ny tongotrao ao anatin’ny ra sy hananan’ireo lelan’ny alikanao anjara, amin’ny fahavalo. Hitan’ny olona ny dianao, ry Andriamanitro, dia ny dian’ny Andriamanitro, ny Mpanjakako, ho ao amin’ny fitoerana masina.
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony. Naoriny ho lalàna izany, tamin’i Jakôba, ary ho fanekena mandrakizay tamin’i Israely, nataony hoe: «Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao.» Mbola olom-bitsy izy fahizany, sady vitsy no vahiny teo amin’ny tany; ka nifindrafindra tany tamin’ny firenena; niala tamin’ny fanjakana iray ho amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelany hampahory azy; ary izy ireo no namaizany mpanjaka: Aza mikasika an’ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko. Niantso mosary hamely ny tany Izy, notapahiny ny haniny izay tohan’ainy. Naniraka olona hialona azy ireo Izy: i Josefa namidy ho andevo. Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy, mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Fihirana. Salamon’i Davida. i Moaba tavin-drano fandroako, i Edôma anipazako ny kapako; Ny tanin’ny Filistinina no anaovako hobin-kafaliana! Iza no hitondra ahy any amin’ny tany mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edôma? Tsy Ianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra, Ianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony? Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahay, fa zava-poana ny famonjena avy amin’olombelona. Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; Izy no hanorotoro ny fahavalontsika. Efa nahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô, dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho. Mitsangàna, ry voninahitro! Mifohaza, ry valiha amana harpako! Aoka hamoha ny mazava atsinanana aho!
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy! Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!
Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina! Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany! Miderà Azy noho ny asa nataony amin-kerim-po! Miderà Azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa! Miderà Azy amin’ny feon-trômpetra! Miderà Azy amin’ny harpa aman-dokanga! Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka! Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena! Miderà Azy amin’ny kipantsona mazava feo! miderà Azy amin’ny kipantsona mikarantsana! Aoka hidera an’i Iaveh ny manam-pofon’aina rehetra! Aleloia!
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; torio amin’ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany, Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana, sy isan-tsabata isan-tsabata, ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy i Iaveh.
ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.
Ary hoy i Maria: «Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Rehefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra. Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra.
Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny; tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana, sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.
Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata. Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy. Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho. Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy. Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy. Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy, dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika. Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana, mba hanambara fa marina i Iaveh; Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. Tsara ny midera an’i Iaveh, sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô, ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina, ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh.
Eo am-bavany ny fiderana an’Andriamanitra, ary eo an-tanany ny sabatra roa lela. Mba hanao famaliana an’ireo firenena, sy hamay an’ireo vahoaka, mba hamatotra ny mpanjakan’ireny amin’ny gadra, ary ny olo-malazan’ireny amin’ny gadra vy; mba hampihatra amin’izy ireo ny teny fitsarana voasoratra: Voninahitra voatokana ho an’ny mpino azy rehetra izany. Aleloia!
Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
Amin’izany ianareo hiventy hira, tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh hanatona ny vatolampin’i Israely.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona? Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko? Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
dia niantsàmbotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-Tempoly namindra sy niantsambotsàmbotra, ary nidera an’Andriamanitra.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.» Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo» Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy. Fa ny Andriamanitsika dia afo mandevona.
eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.
Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.
Raha efa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: «Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.» Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ary indro hitako nisy Anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro, niantso ny voromanidina rehetra teo amin’ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fihinanam-ben’Andriamanitra, mba hihinana ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny tomponarivo, ny nofon’ny olo-mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy, sy ny nofon’ny olona rehetra, na mpanompo na olona tsotra, na kely na lehibe.» Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’ilay nitaingina ny soavaly sy amin’ny tafiny. fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.» Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara; ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan’ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin’ny nofony ny vorona rehetra. Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe: «Aleloia!» Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.
Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany. Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre, izay nenti-ko babo tany Babilôna.
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.