Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 31:4 - Baiboly Katolika

4 Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Mbola hanorina anao indray Aho ka hiorina ianao, ry Israely virijiny! Mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina hianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao hianao Ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Mbola hanorina anao indray Aho ka hiorina ianao, ry Israely virijiny! Mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:4
31 Rohy Ifampitohizana  

Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanaka vavin’i Siôna: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanaka vavin’i Jerosalema.


Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!


Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -


Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; tsy mahafaly Anao ny sorona dorana.


Aoka hidera Azy ny tany aman-danitra, mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!


Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.


ka isaky ny miantefa ny tsora-kazo tsy diso hampidinin’i Iaveh aminy, dia hatao mitatatata ny ampongatapaka aman-dokanga, ary hiady aminy, sady hamely mafy azy Izy.


ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanaka vavin’i Jerosalema!


ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»


Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.


Noho izany izao no lazain’i Iaveh: «Manontania ny firenena ianareo: Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany? Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.


Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.


Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.


Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao, tandremo ny lalam-be, ny lalana efa nalehanao. Miverena, ry virjinin’i Israely, miverena atỳ amin’ny tanànanao indray. Mandra-pahoviana no hiriariavanao, ry zanaka vavy mpiodina?


Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh, hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.


Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’i Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.


Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana ianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.


Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy Izy, nanorotoro ny zatovo lahiko; nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.


Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?


Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony, ilay virjinin’i Israely! Mitsingàdina amin’ny tany izy, ary tsy hisy hanarina azy.


Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;


ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika,


Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho, ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera; hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy,


Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra