Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 31:5 - Baiboly Katolika

5 Hamboly ny tanimboalobokao indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianao; ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Hambolenao voaloboka indray eny amin’ny havoanan’i Samaria ka ireo mpamboly no hioty ny vokatry ny famboleny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Hambolenao voaloboka indray eny amin’ny havoanan’i Samaria ka ireo mpamboly no hioty ny vokatry ny famboleny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Mbola hanao tanimboaloboka ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria hianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianao; ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:5
15 Rohy Ifampitohizana  

Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka, ary nahazo vokatra be.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»


Honina ao izy tsy amin’ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo, rehefa vitako ny fitsarana an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.


Ary ianareo kosa, ry tendrombohitr’i Israely, haniry ny rantsanareo, sy hahavokatra ny voanareo ho an’i Israely vahoakako; fa efa akaiky ny hiaviany.


Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.


Ny tendrombohitr’i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin’ny Filistinina ho an-dry zareo amin’ny Sefelah; hanana ny faritanin’i Efraima izy ireo, mbamin’ny faritanin’i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an’i Galaada.


Koa i Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.


Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.


Iza no namboly tanimboaloboka, ka mbola tsy nahazo vokatra taminy? Aoka izy hiala ka hody any aminy, fandrao maty an’ady, ka olon-kafa no hahazo ny vokany.


Hifamofo amim-behivavy ianao, fa olon-kafa no hahazo azy; hanao trano ianao fa tsy honina aminy; hamboly voaloboka ianao, fa tsy hahazo ny vokany.


Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra