Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.
Hosea 7:11 - DIEM PROTESTANTA I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina i Efraima; efa niantso an’i Ejipta izy ary efa nankany Asiria. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria. Baiboly Katolika I Efraima tonga hoatra ny domohina, adaladala tsy misy saina; miantso an’i Ejipta, mankany Asiria. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’i Egypta izy ary efa mankany Asyria. Malagasy Bible Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria. La Bible en Malgache Tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina i Efraima; efa niantso an’i Ejipta izy ary efa nankany Asiria. |
Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.
Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»
Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.
Ankehitriny, inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Ejipta? Hisotro ny ranon’i Neily ve? Ary inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Asiria? Hisotro ny ranon’i Eofrata ve?
Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.
Avy any Ejipta koa izy no hanatona amin-kovitra toa voronkely, ary avy any Asiria no hanatona amin-kovitra toa domohina; ka dia hoentiko miverina any an-tranony indray izy. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.
Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.
Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma; ka rivotra no ivokisany amin’izany. Manao fifanekena amin’i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.
Miverena amin’ny TOMPO ka milazà aminy hoe: «Avelao avokoa ny helokay; ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray dia raiso tsara ireto teninay ireto:
Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.
Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.
Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.
Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.
I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony eo amin’ny tanin’ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.
Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.
Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao no mandroaka anao hatrany ivelan’ny sisin-taninao. Ny olona tsara fihavanana taminao no mamitaka anao ka naharesy anao. Ireo niara-nisakafo taminao no mamela-pandrika eo amin’ny lalan-kodiavinao. Ka hoy ireo ny aminao hoe: ‹Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy›.
–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.