Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ny fijangajangana sy ny fahamamoana no mahavery hevitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahavery ny saina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ny fijangajangana sy ny fahamamoana no mahavery hevitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka No mahalasa ny saina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahavery ny saina.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Ny divay mahatonga ho mpaniratsira, ny toaka mahatonga ho mpitabataba, koa izay mimamo amin’izany tsy ho hendry.


Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy mety amin’ny mpanjaka na mpifehy ny miboboka divay na toaka.


Adala izay lehilahy mangala-badin’olona; manimba tena ny manao izany.


Fa mety hahalasa adala ny hendry ny fahazoa-mampahory; ary mety hahasimba toetra azy ny fandraisan-kolikoly.


Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay ary mivembena noho ny toaka: dia ny mpisorona sy ny mpaminany izay miraingiraingy noho ny toaka sy mivembena azon’ny divay. Mivembena azon’ny toaka ireo, miraingiraingy noho ny fahitana, ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:


Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!


«Tao amin’ny mpaminanin’i Samaria no nahitako zavatra maharikoriko: naminany tamin’ny anaran’i Bahala izy ary nampivaona ny Israelita vahoakako.


Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.


Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


–Aza misotro divay na zava-pisotro hafa mahamamo ianao sy ny zanakao, rehefa hiditra ao an-Tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Ary i Abigaîla tonga tany amin’i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin’ny fanasan’ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon’i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon’i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan’ny andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra