Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Hihinana izy fa tsy ho voky; hijangajanga fa tsy hitombo; satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, Hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, Satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Koa hihinana izy nefa tsy ho voky, hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka,


Fa izay mivoana any amin’ny lala-miolikolika kosa dia aoka horoahin’ny TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Ny fiadanana anie ho amin’i Israely!


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Ny olo-marina dia mihinana mahalala onona; fa ny kibon’ny olon-dratsy kosa tsy mety afa-po.


Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.


Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;


Kanefa raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon’ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany.


Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin’ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana:


Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany.


Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony hatramin’ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.


Hotapahiko ny vary tohan’ainareo, ka lafaoro anankiray fanendasa-mofo ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo; ary an-danjany kely dia kely no hizaràny azy, ka hihinana ianareo fa tsy ho voky.


Hihinana ianareo nefa tsy ho voky, fa mbola eo aminareo ihany ny mosary, Hampirina ianareo nefa tsy hahatahiry; ary izay voatahirinareo aza dia holevoniko amin’ny ady.


Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»


Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra