Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka; hofaizako izy, noho ny lalany ary hatsingeriko aminy ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny làlany, Ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; hovaliako noho ny lalany izy, ary hatsingeriko aminy ny nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:9
23 Rohy Ifampitohizana  

Omem-balisoa etỳ an-tany ny olo-marina; koa ny ratsy fanahy sy ny mpanota dia vao mainka hahazo ny setry sahaza!


Ny tenin’ny olona no ahazoany fahombiazana sy andraisany ny vokatr’izay asan’ny tanany.


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.


Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


«Ary ireo Levita izay nanalavitra Ahy, ka niaraka tamin’ny Israelita hafa nivily niala tamiko mba hanompo ireo sampiny, dia hizaka ny vokatry ny heloka vitany.


Kanefa noho ireo nanelanelana ny vahoaka tamin’ny sampy sady nitarika ny Israelita hanota mihitsy aza, dia Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao fianianana sy teny hentitra fa hamely azy. Eny, hizaka ny vokatry ny heloka vitany izy,


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak’i Jehò noho ny ra latsaka tao Jizrehèla; ary hofaranako ny fanjakan’ny taranak’i Israely.


Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO: ireo firenena no hifamory hamely azy ho valin’ny heloka roa nataony.


Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma; ka rivotra no ivokisany amin’izany. Manao fifanekena amin’i Asiria izy dia manenji-drivotra avy atsinanana. Tontolo andro no ampitomboiny ny lainga sy ny herisetra.


Manana ady amin’i Joda ny TOMPO. ka hanafay ny firenen’i Jakôba noho ny fitondrantenany ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.


Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra