Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ny sorona ataon’ny vahoakako ho fanalana ny fahotana no hanina ivelomany; ka satriny ihany ho diso ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Mamoky tena amin’ny fanatitra fanadiovana izay aterin’ny oloko izy ireo, ka satriny ihany ho diso ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ny sorona ataon’ny vahoakako ho fanalana ny fahotana no hanina ivelomany; ka satriny ihany ho diso ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Mivoky amin’ny fahotan’ny vahoakako izy ireo; ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ny oloko dia haniny, Ka satriny ihany ny ho diso ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Mamoky tena amin’ny fanatitra fanadiovana izay aterin’ny oloko izy ireo, ka satriny ihany ho diso ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:8
18 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin’ny fiasany.


–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.


Salamo nataon’i Davida TOMPO ô, Ianao no ifantohako;


Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.


«Ry ilay taranak’olombelona, ireto lehilahy ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany. Mihevitra ve izy fa hanaiky hanontaniany Aho?


«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin’ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany.


Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.


Mizana mandainga tahaka ny an’ny Kanahanita no hazoninao, ry Efraîma; ka tia manambaka ianao


Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.


Ny lehilahy rehetra anisan’ny mpisorona no mahazo mihinana io hena io, satria zava-masina dia masina izany.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny sorona sy ny fanatitra izay nodidiako hatao ao amin’ny Toeramasina fonenako. Ary nahoana ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, satria ianareo mampahatavy ny tenanareo amin’izay tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra ataon’ny Israelita vahoakako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra