Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Arakaraka ny nitomboany no nanotany Tamiko ka hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, Ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Arakaraka ny nitomboany no nanotany Tamiko ka hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Eny, hatramin’ny andron’ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an’ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baràka an’i Efraîma izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.


Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


Ankehitriny ny voninahitr’i Efraîma dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina; ka tsy hisy zaza teraka intsony, na zaza entina am-bohoka na zaza torontoronina akory aza.


Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin’ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baràka ny voninahitrareo.


Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra