Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ankehitriny, inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Ejipta? Hisotro ny ranon’i Neily ve? Ary inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Asiria? Hisotro ny ranon’i Eofrata ve?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Koa inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Ejipta hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Asiria hisotro ny rano amin’ny ony Eofrata?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ankehitriny, inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Ejipta? Hisotro ny ranon’i Neily ve? Ary inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Asiria? Hisotro ny ranon’i Eofrata ve?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon’i Nila? Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Koa inona no anton’ny ankanesanao amin’ny làlana mankany Egypta Hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no anton’ny ankanesanao amin’ny làlana mankany Asyria Hisotro ny rano amin’ny Ony?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Koa inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Ejipta hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Asiria hisotro ny rano amin’ny ony Eofrata?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany i Ahaza mpanjaka no nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Asiria mba hangataka ny any hanampy azy.


Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanofa hareza avy eny am-pitan’i Eofrata: filazana ny mpanjakan’i Asiria izany; ka ho voaharatra avokoa ny lohanareo rehetra sy ny volon-tongotrareo ary koa ny volom-bavanareo.


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Mandra-pahoviana ianao no mbola hiriorio etsy sy eroa, ry zanakavavy mpikomy? Fa ny TOMPO efa namorona zava-baovao eto an-tany: ny vehivavy indray no manenji-dehilahy.


Mbola vizana ny masonay miandry foana ny famonjena. Nitazana teo an-tilikambo izahay nanantena firenena tsy hahavonjy.


Nanolo-tanana tamin’i Ejipta sy i Asiria izahay mba ho voky hanina.


Saingy tsy afa-po ny filànao fa nijangajanga tamin’i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.


Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!


no nahatonga anao toy izany. Nijangajanga tamin’ireo lehilahin’ny tany hafa ianao ary nandoto tena tamin’ny fanompoana ireo sampiny.


Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


izany hoe ny faritra noheverina ho kanahanita manomboka hatreo amin’ny lohasahan-driaka Sihôra izay sisin-tany atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Hekrôna any avaratra; ao no misy ireo fanjakana dimy tamin’ny Filistinina, dia i Gazà, i Asdôda, i Askelôna, i Gata ary i Hekrôna; ao koa no misy ny Havita


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra