Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fikomianao no ananarana anao; koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ny haratsianao no anafaizana anao, Ary ny fiodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao Sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fikomianao no ananarana anao; koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:19
40 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Elià namaly hoe: –Tsy izaho no mpitondra loza amin’i Israely, fa ianao sy ny fianakavianao satria nandà ny didin’ny TOMPO ianareo sady nivavaka tamin’ireo andriamanitra Bahala.


Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.»


Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edômita mandraka androany. Tamin’izay fotoana izay koa ny tanànan’i Libnà no nikomy nanohitra ny fahefàn’i Jôrama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.


Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO.


Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Hôreba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.


Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.


Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Ankehitriny dia hampahafantariko anareo izay hataoko amin’izany voaloboko izany: Hoesoriko ny fefy tsilo miaro azy, dia hiraofan’ny biby fiompy izy. Harodako ny rindrim-bato manodidina, dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!


Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.


Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitantanany anao teny an-dalana?


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.


Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.


Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.


fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


Koa mampahasosotra Ahy tokoa ve izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Tsia, fa ny tenany ihany no ampahasosoriny, ka hampahamenatra azy izany.


Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.


no nahatonga anao toy izany. Nijangajanga tamin’ireo lehilahin’ny tany hafa ianao ary nandoto tena tamin’ny fanompoana ireo sampiny.


Niafenako tava ireo ho setrin’ny asany maloto amam-pikomiany.


Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.


Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.


Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.


Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.


Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.


Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.


havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»


Nikomy tamin’Andriamanitra ny taranak’i Jakôba, eny, nanota ny vahoakan’i Israely, ka mahatonga izany rehetra izany. Fa iza no nampikomy ny taranak’i Jakôba? Moa tsy i Samaria renivohiny ve? Ary iza no toeram-panasinana ao Joda? Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?


Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.


«Ny tahotra an’Andriamanitra, tsy ananany mihitsy!»


Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra