Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy namahanao ny fatoranao ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho; nefa teny amin’ny tendrombohitra avo sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao sy nijangajanganao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!› Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao Sy efa nanitosanao ny fatoranao, Ka hoy hianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ny havoana andrandraina Sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra No nandrianao nijangajanganao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:20
50 Rohy Ifampitohizana  

Nanendry andro fety koa izy, dia ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo izay mitovitovy amin’ny fety any Joda ihany, ary dia nanatitra sorona teo ambony alitara koa. Toy izany no nataony tany Betela, fa nanao sorona ho an’ireo ombilahikely namboariny izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona izay notendreny ho an’ireny toeram-panasinana ireny.


Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny.


navoakany tamin’ny haizim-pito sady novahany fatorana.


«Aoka hotapahintsika, hoy ireo, ny gadra angejàny; ary hariantsika any izay fanjakazakàny!»


Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin’ny sarivongan’andriamani-tsiizy.


Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.


Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.


Amin’izany andro izany, hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra, ary halàny eo am-bozonanao ny zioga. Miakatra ao Samaria ny fahavalo,


Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina, eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy. Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako, hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»


Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.


Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany?


ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana


Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO ry taranaka ankehitriny! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: «Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»


Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,


Fa handeha hiteny amin’ireo olo-maventy aho; ireny izao no mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO, dia izay fitsipik’ilay Andriamaniny.» Kinanjo mitovy ihany izy rehetra: samy efa nanapaka zioga sy nanito ny fatorany amin’Andriamanitra.


Saingy tsy afa-po ny filànao fa nijangajanga tamin’i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.


Nanorina lampihazo isaky ny vavalalana ianao sy nanao toeram-panasinana teny amin’ny kianja malalaka rehetra, nefa tsy nitaky tambiny akory tahaka ny vehivavy janga!


ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason’ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Hofaranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin’ny lehilahy intsony ianao.


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Kinanjo nijangajanga i Ôhôlà na dia efa Ahy aza. Maimay izy tamin’ireo lehilahy sakaizany, dia ny Asirianina


Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe: «Mandehana maka vady mpivarotena tokoa sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany; fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.»


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Ary hoy aho taminy: «Mandritra ny andro maromaro dia hijanona ato an-tranoko ianao, ka tsy hivaro-tena na hanitsakitsaka ahy amin’ny olon-kafa intsony. Izaho koa ho toy izany aminao.»


Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin’ny havoana, dia eny ambanin’ny hazo ôaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.


Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.


Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.


Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam-pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.»


Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin’ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.


Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dàlany ka hitandrina ny lalànany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony.


Ianareo kosa dia nalain’ny TOMPO ka nentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho vahoaka voatokana ho azy tahaka ny amin’izao anio izao.


Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.


Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain’ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.»


Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.


Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.


Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO.


Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.


Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanompo ireo Bahala andriamani-tsiizy.


Eny, nandao ny TOMPO tokoa ny Israelita mba hanompo ireo Bahala sy ireo Hastôreta.


Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra