20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!› Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.
20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy namahanao ny fatoranao ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho; nefa teny amin’ny tendrombohitra avo sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao sy nijangajanganao.
20 Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.
20 Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.
20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao Sy efa nanitosanao ny fatoranao, Ka hoy hianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ny havoana andrandraina Sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra No nandrianao nijangajanganao.
20 Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy namahanao ny fatoranao ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho; nefa teny amin’ny tendrombohitra avo sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao sy nijangajanganao.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.
Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».
Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan’ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa... mpamono olona no eo!
Ka izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.
Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.
Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;
Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako; Fa ireo no mahalala ny lalan’i Iaveh, sy ny lalàn’ny Andriamaniny...» Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga sy nanito fatorana avokoa!
Tamin’ny nanaovanao ny zohinao isan-tsampanan-dalana, sy nanaovanao fitoerana avo teny amin’ny kianja rehetra teny, dia efa tsy toy ny vehivavy janga akory ianao, fa efa tsy nahoanao intsony izay tangy;
Handoro ny tranonao amin’ny afo izy, ary hanefa fitsarana mahavoa anao eo imason’ny vehivavy betsaka; hataoko mitsahatra ny fijangajanganao, ka dia tsy hanangy intsony ianao.
fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.
Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely, na amin’ny firavoravoana toy ny firenena. Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao, efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga, teny am-pamoloana rehetra teny.
Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»
Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony.
fa ianareo, dia nalain’i Iaveh ka nentiny nivoaka avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao.
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.
Dia nitaraina tamin’i Iaveh izy ireo nanao hoe: Nanota izahay, fa nandao an’i Iaveh sy nanompo ny Baala sy ny Astarte! Fa izao dia afaho amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay ary hanompo Anao!