Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 8:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy; eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo. Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahin’i Iaveh izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, Eny, mihinana ny henan’izany, Nefa tsy sitrak’i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, Ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy; eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo. Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 8:13
30 Rohy Ifampitohizana  

«Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


«Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny saboran-janak’omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Tsy ho tokin’ny Israelita intsony i Ejipta, ka tsy hampanao heloka azy hiantso vonjy any aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»


«Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan’i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.


Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.


Kanefa hitovy ny hanjo ny mpisorona sy ny laîka; hofaiziko noho ny fitondrantenany izy, ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.


Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.


Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!


Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.


Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan’ny tsilo ny fonenanareo.


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


«Amin’ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany, dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko; noho izany, dia hampamoahako anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo.»


Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.


Ny TOMPO, Izay reharehan’ny taranak’i Jakôba, dia nanao fianianana hoe: «Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asa ratsy rehetra nataonareo!»


Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra.


Rehefa miara-miangona àry ianareo, dia tsy ny hihinana ny Fanasan’ny Tompo velively;


satria izay mihinana amin’izany mofo izany ary misotro amin’izany kalisy izany nefa sy mamantatra ny tenan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro hihantsiana ny sazin’Andriamanitra.


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


Dia hoentin’ny TOMPO hiverina an-tsambo any Ejipta ianareo ka hihazo ny lalana efa nolazaiko taminareo hoe tsy ho hitanareo intsony; any ianareo, na lahy na vavy, dia hivaro-tena ho mpanompon’ny fahavalonareo, nefa tsy hisy mpividy.


Vaky ho telo toko ilay tanàna lehibe; rava ireo tanànan’ny firenena; tsy hadinon’Andriamanitra ny nanasazy an’i Babilôna lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra