Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 8:14 - DIEM PROTESTANTA

14 «Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nanadino ny Mpanao azy Israely ka nanorina lapa mirenty. I Joda kosa dia nanamaro tanàna mimanda. Handefasako afo ao an-tanànany ka holevonin’izany ireo lapa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 «Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Nanadino ny mpanao azy i Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda i Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ireo rovany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely Ka nanorina trano vaventy, Ary Joda nanamaro tanàna mimanda Fa haterako afo ao an-tanànany, Ka holevonin’izany ny trano vaventiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nanadino ny Mpanao azy Israely ka nanorina lapa mirenty. I Joda kosa dia nanamaro tanàna mimanda. Handefasako afo ao an-tanànany ka holevonin’izany ireo lapa.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 8:14
31 Rohy Ifampitohizana  

Nanorina trano teny amin’ny toeram-panasinana i Jerôbohama sady nanendry mpisorona hafa tamin’ny sarambabem-bahoaka, izay tsy anisan’ny taranak’i Levỳ akory.


Tsy vitan’ny hoe nizotra tamin’ny fahotan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izy, fa mbola nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etbahala mpanjakan’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.


Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekià no nahatongavan’i Saneherîba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tao amin’ny fanjakan’i Joda ka nahazoany ireny.


Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.


Nanorenany tanàna teny amin’ny havoan’i Joda ary nanaovany trano fiarovana sy tilikambo tany an’ala.


Hadinony Andriamanitra mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,


Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anatrehan’ny TOMPO Mpanao antsika!


Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.


Satria raha mahita izay hataoko eo anivony ny tenany sy ireo taranany, dia hanome hasina ny anarako, hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin’i Jakôba ary hangovitra eo anatrehako satria Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.


Koa nazeran’ny TOMPO tamin’ny vahoaka Israely ny fahatezerany mirehitra sy ny ady mangotraka. Nandoro ny faritra manodidina an’i Israely izany, saingy tsy fantany velively; nandoro tao anatiny mihitsy aza izany, nefa tsy nahoany akory.


dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»


Kanjo nomen’ny TOMPO tombon-dahiny ny fahavalon’i Israely, dia i Retsîna izany; eny, notairiny tokoa ireo fahavalony,


«Rindrina biriky no nirodana fa rindrim-bato kosa no hatsanganay. Tsivalan-kazo aviavy no nadaboka fa tsivalan-kazo sedera kosa no hasolonay azy.»


Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»


Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.


Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan’ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan’ny razany Ahy ka nanompoany an’i Bahala.


Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin’izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


Handefasako afo ny tanànan’i Tiro ka ho levon’izany ireo lapany.»


Handefasako afo ny tanànan’i Temàna ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Bôtserà.»


Handefasako afo ny tanànan’i Rabà ka ho levon’izany ireo lapany; sady hisy akoran’ady amin’ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.


«Handefasako afo ny lapan’i Hazaela mpanjaka, ka ho levon’izany koa ny trano-fiarovan’i Bena-Hadada mpanjaka.


Handefasako afo ny tanin’i Joda ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Jerosalema.»


Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.


«Tsy raharahainao, ry Israely, ilay Vatolampy niteraka anao; hadinonao ilay Andriamanitra nahitanao masoandro.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra