Hosea 9:1 - DIEM PROTESTANTA1 Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely, na amin’ny firavoravoana toy ny firenena. Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao, efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga, teny am-pamoloana rehetra teny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa hianao efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao Sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra; Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Aza mifaly ry Israely, aza faly loatra toy ny firenena hafa, fa efa nijangajanga niala tamin’Andriamanitrao ianao, sady efa tia karama maloto teny am-pamoloana rehetra teny! Jereo ny toko |
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.