Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 9:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Tsy hahafa-po anao anefa na ny vary eo am-pamoloana na ny menaka eo am-pamiazana; ary ny divay vaovao andrasanao dia handiso fanantenana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tsy hahafa-po anao anefa na ny vary eo am-pamoloana na ny menaka eo am-pamiazana; ary ny divay vaovao andrasanao dia handiso fanantenana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka, tsy hisy hamelana azy ireo, ary ny divay vaovao handà azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, Ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Tsy hahavelona azy ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka ary handiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 9:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.


Na dia hiezaka hanenjika ireo lehilahy sakaizany aza izy, dia tsy hahatratra azy akory; hitady ireo izy nefa tsy hahita, ka hiteny anakampo hoe: «Ndeha hody amin’ny vadiko voalohany aho, fa niadana kokoa aho tamin’izay noho ny ankehitriny.»


Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.


Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.


inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin’ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin’ny barîka nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra