Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao no mandroaka anao hatrany ivelan’ny sisin-taninao. Ny olona tsara fihavanana taminao no mamitaka anao ka naharesy anao. Ireo niara-nisakafo taminao no mamela-pandrika eo amin’ny lalan-kodiavinao. Ka hoy ireo ny aminao hoe: ‹Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy›.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nandroaka anao hatrany amin’ny sisintany; izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; izay mihinana ny haninao no nanao vela-pandrika ao ambaninao. Tsy misy fisainana intsony ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao no mandroaka anao hatrany ivelan’ny sisin-taninao. Ny olona tsara fihavanana taminao no mamitaka anao ka naharesy anao. Ireo niara-nisakafo taminao no mamela-pandrika eo amin’ny lalan-kodiavinao. Ka hoy ireo ny aminao hoe: ‹Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy›.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nanosika anao hatrany an-tsisin-tany avokoa, ireo vita fanekena taminao; namazivazy anao, naharesy anao ireo izay nifaly tamin’ny fihavanany aminao; ry zareo nihinana ny haninao, namela-pandrika eo ambanin’ny dianao. Tsy misy saina azo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao– Tsy misy fahalalana ao aminy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza, izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko, dia nanjary nitsangana hanohitra ahy.


Hoy ireo hoe: «Voan’ny aretin-dratsy io ka milamaka tsy ho tafarina intsony!»


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty


Manadino anao avokoa ireo sakaizanao ary tsy misy miahy anao mihitsy; satria Izaho no nikapoka anao toy ny fahavalo namely anao, ka nofaiziko mafy ianao.


Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan’ny mpanjaka dia hoentina eo amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen’ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nandositra ianao!


Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.


Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?


Niantso ireo tia ahy taloha aho, nefa nilaozany fotsiny. Niala aina tao an-tanàna ny mpisoroko sy loholoko raha iny mbola nitady hanina hampodîna hery iny.


Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra