Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Endrey izany fisavàn’ny olona ireo fanananao, ry taranak’i Hesao! Endrey izany fikarohana ny harenao miafina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Endre ny fitady an’i Esao! Endre ny fikatsaka ny harenany miafina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Endrey izany fisavàn’ny olona ireo fanananao, ry taranak’i Hesao! Endrey izany fikarohana ny harenao miafina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Endrey izany fisava an’i Esao! Endrey izany fikaroka ny rakiny miafina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Endrey ny fitady ny an’i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Endre ny fitady an’i Esao! Endre ny fikatsaka ny harenany miafina.

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. TOMPO ô, nandinika ahy Ianao ka fantatrao avokoa ny momba ahy.


Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika ary horobaina ny tranony sady hosavihina ny vadiny.


Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Izaho no haka ny fanananareo ry taranak’i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe:


Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy, ka halemy toy ny vehivavy izy! Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny, ka ho voaroba ireo!


Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin’ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra