Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra, na ny mpandroba alina - Endrey izany faharavanao! - moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany? Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao, moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Raha, tàhiny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao– (Indrisy, fongotra hianao!)– Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tàhiny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny ? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao?

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Ry Israely ô, ireo mpiady reharehanao dia mitsitra eny an-tampon-kavoanao. Indrisy fa maty ireo mahery fo!


Fa nahoana ianao no latsaka avy any an-danitra ambony any, ry ilay kintana mamirapiratra toy ny kintana fitarikandro! Nazera amin’ny tany ianao ity, ry ilay nandresy firenena maro!


ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.


Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony.


Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony.


Andray! Potika sy torotoro i Babilôna, ilay tantanam-pamontsanana ny tany tontolo. Andray! Tonga taniefitra mahonena izy eo anivon’ny firenena maro.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!»


Indrisy! Mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona fahiny! Tonga toy ny mpitondratena ilay nalaza tamin’ireo hafa firenena; manao ny asan’ny mpanompo izao ilay andriambavy nifehy faritany maro!


Dia ho raiki-tahotra mafy ny lehilahy maherinao, ry Temàna; ka haringana avokoa ny mponina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao.


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


Izany no hiafaran’ilay tanàna fatra-pirehareha, sady niaina tamim-pilaminana ary nihevi-tena ho tsy manan-tsahala. Indrisy, efa tonga lao izy izao ary fierem-biby! Izay rehetra mandalo eo akaikiny dia hisioka sy hanakifi-tanana ho fanesoana azy.


Rehefa otazanareo ny voalobokareo, dia aza miverina hitsimpona izay sampaho sisa tavela; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.


Hijanona eny lavitra eny izy ireo, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin’i Babilôna, ka hanao hoe: «Indrisy! Indrisy! Ry Babilôna, tanàna lehibe, tanàna matanjaka! Satria tanaty adiny iray monja dia niharan’ny sazy ianao!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra