Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Amin’izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma sy ireo matsilo saina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Amin’izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma sy ireo matsilo saina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Moa amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - tsy fongorako va ny olon-kendry ao Edôma, sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’i Esao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao?

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;


Tena adala mihitsy ireo printsy ao Tsôhàna. Ary tena very saina ireo olon-kendrin’ny Farao. Ahoana no samy ilazanareo amin’ny Farao hoe: «Izaho dia zanak’olon-kendry sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?»


Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao? Aoka izy hampahalala anao ary hampahafantatra anao izay notapahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hamelezana an’i Ejipta.


Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.


Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra