Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia ho raiki-tahotra mafy ny lehilahy maherinao, ry Temàna; ka haringana avokoa ny mponina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, ary ho ringana sy ho foana ny olona rehetra any amin’ny tendrombohitr’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia ho raiki-tahotra mafy ny lehilahy maherinao, ry Temàna; ka haringana avokoa ny mponina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna, mba ho voafongotra rehefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Elifaza dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Gahetama ary i Kenaza.


Rehefa maty i Jôbaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy amin’ny tanin’ny Temanîta.


Ary nandre ny fahoriana rehetra nianjady tamin’i Jôba ny sakaizany telo lahy, dia i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahamà, ka samy niala tany aminy avy ary nifanaiky fa haneho aminy ny fiaraha-miory sy hankahery azy.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Indro toa voromahery hipaoka no manidina sy misodisody eo ambonin’i Bôtserà. Amin’izany andro izany dia hangitakitaka toy ny vehivavy miteraka na dia ny lehilahy mahery fo aza.


Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.


Handefasako afo ny tanànan’i Temàna ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Bôtserà.»


Amin’izany andro izany, na ny mahery fo indrindra amin’ireo miaramila voafantina aza dia hanary fiadiana ka handositra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.


Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?


Indro tonga osa toy ny vehivavy ny lehilahy eo aminao; ary midanadana ho an’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao, satria kilan’ny afo ny hidiny.


Tonga avy any Temàna Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Paràna. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.


mba tsy hila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny na eram-paladia akory aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Hesao ny faritra havoanan’i Sehîra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra