Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Manodidina Ahy amin’ny lainga i Efraima ary amin’ny fitaka ny taranak’Israely; nefa i Joda dia mbola miaraka amin’Andriamanitra izay masina sy mahatoky ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga, ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka, i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra, ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 EFRAIMA manodidina Ahy amin’ny lainga, Ary ny taranak’Isiraely amin’ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’Andriamanitra, Dia ny Iray Masina sy Mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Manodidina Ahy amin’ny lainga i Efraima ary amin’ny fitaka ny taranak’Israely; nefa i Joda dia mbola miaraka amin’Andriamanitra izay masina sy mahatoky ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:1
20 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo;


Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.


I Jôrama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr’i Joda ka nitaona ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin’Andriamanitra.


Velon-drivotra va ny olon-kendry toa anao ka hiteniteny foana tsy amim-piheverana


Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.


Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraîma.»


Nanolo-tanana tamin’i Ejipta sy i Asiria izahay mba ho voky hanina.


Voavoly tsara tokoa ny voaloboka kanefa tsy mety ho vanona. Raha vao tsofin’ny rivotra avy any atsinanana izy, dia ho maina tanteraka. Eo amin’ny tany tokony haniriany no hahamaina azy am-potony›. »


Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho na ho avy handringana an’i Efraîma; tsy olombelona Aho fa Andriamanitra dia Ilay Masina eo aminao; ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.»


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.


Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


Mamafy rivotra ianareo ka hijinja tadio. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Vary tsy amin-tsalohy tsy vanon-ko lafarinina.»; ary raha tàhiny aza hisy, dia ny vahiny no handany azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra