Genesisy 23:11 - DIEM PROTESTANTA –Tsia, tompokolahy, fa henoy aho! Ny saha dia omeko anao ary ny lava-bato izay eo aminy koa dia omeko anao; eto imason’ireto mpiray foko amiko no anomezako azy maimaim-poana; koa aleveno ao ny fatin’ny vadinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsia, tompokolahy fa mihainoa ahy! Ny saha dia omeko anao ary ny zohy izay ao anatiny koa dia omeko anao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ny vadinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tsia, tompokolahy, fa henoy aho! Ny saha dia omeko anao ary ny lava-bato izay eo aminy koa dia omeko anao; eto imason’ireto mpiray foko amiko no anomezako azy maimaim-poana; koa aleveno ao ny fatin’ny vadinao. Baiboly Katolika «Tsia, tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin’ny vadinao.» Baiboly Protestanta Malagasy Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ny vadinao. Malagasy Bible Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao. La Bible en Malgache Tsia, tompokolahy fa mihainoa ahy! Ny saha dia omeko anao ary ny zohy izay ao anatiny koa dia omeko anao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ny vadinao. |
tamin’i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon’izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin’ny tanàna.
–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.
Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony no afaka hihevitra tanjona ambony sady tsy hirotsaka an-tsehatra afa-tsy ho an’ny tanjona ambony.
«Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filàzan’ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filàzan’ny vavolombelona tokana.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’izay nanatrika teo: «Alao ny denàry zato eny aminy ka omeo an’ilay nahazo denàry arivo!»
Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy ampy hamonoana azy.
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hitombenan’ny raharaha.
Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe: –Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.
Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!
Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!
Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra: –Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna;