Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay! Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Israely! Ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin’ny loholona: «Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon’i Iaveh tahaka an-dRasela sy i Lià ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon’i Israely. Ary ianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka ianao hampanan-daza ny anaranao any Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’i Jehovah tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie hianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay! Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Israely! Ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao!

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:11
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Hefrôna ilay Hetita tamin’izay dia nipetraka teo anivon’ny olona tafavory. Koa namaly an’i Abrahama izy mba ho ren’ny Hetita rehetra tonga teo am-bavahadin’ny tanàna, ka nanao hoe:


Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!


Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.


Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?


Dia bevohòka i Leà, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: –Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.


i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.


I Jôsefa sy i Benjamîna kosa no zanany tamin’i Rahely.


Dia tamin’ny anaran’i Ahaba no nanoratan’i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an’ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanàna nonenan’i Nabôta.


i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera.


Indro henonay hoe any Efratà ny Vatamasina; ary hitanay tao amin’ny sahan’i Jahara.


Ny fahendren’ny vehivavy no mahamafy tokantrano; fa ny fahadalàny kosa maharava izany.


Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady ka miara-midinika amin’ireo loholon’ny tanàna.


Nataoko dika roa mitovy ny taratasy fivarotana. Teo imason’ny vavolombelona no nohidiko tamin’ny tombokaseko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana iray ary nolanjaiko tamin’ny mizàna ny lanjan’ny volafotsy.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»


Raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo amin’ny fitsarana ravehivavy ka hanao hoe: «Tsy mety mamelona ny anaran’ny rahalahiny eo amin’i Israely ny zaodahiko, fa tsy te hitondra loloha ahy».


dia hanatona azy eo anatrehan’ireo loholona ity vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ny tongo-dralehilahy ary handrora amin’ny tavany sady hiteny hoe: «Toy izany no hatao amin’ny lehilahy tsy mety manome taranaka ny rahalahiny!»


I Elimelèka no anaran-dralehilahy, i Nahômỳ no anaran’ny vadiny, ary ny anaran’ny zanany roa lahy kosa dia i Mahalôna sy i Kiliôna; Efratîta avy ao Betleheman’i Joda izy efa-mianaka. Tonga tany amin’ny faritr’i Môaba izy ireo; fony izy mianakavy nonina tany


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra