Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 ary ho tahaka ny taranak’i Fareza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’i Jehovah anao amin’ity vehivavy ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity!

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:12
8 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nahemotr’ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: –Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon’i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


I Tamàra vinantovavin’i Joda kosa niterahany an’i Peretsa sy i Zera; noho izany, dia dimy ny zanakalahin’i Joda rehetra.


Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.


I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.


Izao no taranak’i Peretsa: i Peretsa no ray niteraka an’i Hetsirôna,


Nitsodrano an’i Elkanà mivady i Helỳ, ka hoy izy tamin’ny lahy: –Ny TOMPO anie hanome taranaka anao avy amin’ity vehivavy ity, ho solon’ilay efa nomeny AZY! Dia lasa niverina nody izy mivady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra