Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’ny TOMPO momba koa ny vehivavy rehetra tao an-tranon’i Abimelèka noho ilay raharahan’i Sarà vadin’i Abrahama. Dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Abrahama; koa nositranin’Andriamanitra i Abimelèka sy ny vadiny ary ireo mpanompovaviny, ka afa-niteraka indray.


Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.


Ary rehefa hitan’ny TOMPO fa tsy tiana noho i Rahely i Leà, dia nataony mitoe-jaza izy; fa i Rahely kosa nataony momba.


Tezitra taminy i Jakôba ka namaly hoe: –Izaho angaha no solon’Andriamanitra Izay nisakana ny kibonao tsy hiteraka?


Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: –Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakôba hoe: –Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany.


mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy satria manome azy trano honenana sy zaza maro.


Indro fanomezan’ny Tompo ireo zanaka maro; valisoa tokoa ny zaza nateraka.


Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanàna, fa vehivavy mendri-kaja ianao.


Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!


Ny hananako ity zaza ity no nivavahako; ary dia nomen’ny TOMPO ahy izay nangatahiko taminy.


Mikarama hahazoana mofo ireo voky taloha, fa ny noana kosa efa manan-kohanina. Impito niteraka ny vehivavy momba, fa ireo mpiteraka kosa nitsaha-jaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra