Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Rota 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie NY TOMPO izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka hambara eo amin’ny Israely ny anarany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemì: «Hisaorana anie i Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin’i Israely!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao andro-any tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.


Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.


Ny mpiara-monina sy ny lafin-kavana dia samy nahare fa nanehoan’ny Tompo hatsaram-po lehibe i Elizabeta ka niara-paly taminy.


Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany.


Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena.


misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak’Andriamanitra hataonareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra