Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:13 - Baiboly Katolika

13 Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.


Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny.


Hitan’i Iaveh fa nankahalaina i Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa i Rasela kosa momba.


Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»


Nony nanopy ny masony i Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: «Iza avy ireto miaraka aminao?» Ary hoy i Jakôba: «Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao.»


Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!


Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.


Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betlehema fa vehivavy tsara toe-panahy ianao.


Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»


Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.


Ny voky taloha mikarama mofo, fa ny noana kosa afa-kanoanana; ny momba aza miteraka fito, fa ny maro anaka kosa mihamalazo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra