Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:10 - DIEM PROTESTANTA

10 miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’i Malòna, dia lasako ho vadiko hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny fonenany. Ianareo no vavolombelona androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 lasako miaraka amin’izany koa ho vadiko i Rota Moabita, vadin’i Mahalôna, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin’ny rahalahiny sy eo am-bavahadin’ny fonenany ny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelon’izany androany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny fonenany; hianareo no vavolombelona andro-any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’i Malòna, dia lasako ho vadiko hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany mba tsy ho faty maso ny anaran’ny maty eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny fonenany. Ianareo no vavolombelona androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:10
19 Rohy Ifampitohizana  

Vitao aloha ny herinandron’ny volantantely amin’ny zokiny, dia homenay anao koa ny zandriny raha manompo ahy fito taona hafa indray ianao.


Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.


fa samy hotsarovan’ny TOMPO mandrakariva izany! Hofoanany eto amin’ity tany ity anie ny fahatsiarovana an’ireo olona ireo!


Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina ary henoiny hatrany ny antsony.


Izay mahita vady mahita fahasambarana; sady mahazo fanambinana avy amin’ny TOMPO izy.


Trano aman-karena no lova avy amin-drazana; fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ny TOMPO.


Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany.»


Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.


Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin’ny folo sy ôrza enin-jato litatra ny vadiko.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


Dia anontanianareo ny anton’ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan’ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin’ny vadin’ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo.


Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana sy ny nanolorany tena hamonjy azy.


Ary ny lahimatoa izay haterany no haka ny anaran’ilay rahalahy efa maty, mba tsy hahafaty anarana azy eo amin’i Israely.


Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.


Ho henon’ny Kanahanita sy ny mponina rehetra amin’ity tany ity izany, dia hikambana hamely anay ireo ka handringana anay; koa inona àry no hataonay mba hiekena ny lazanao lehibe?


Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra: –Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra