Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 23:6 - DIEM PROTESTANTA

6 –Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Mihainoa anay, tompokolahy: Andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ny fasanay no andeveno ny fatin’ny vadinao; tsy misy aminay tsy hanome ny fasany ho anao mba handevenanao ny fatin’ny vadinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 –Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 «Henoy izahay, Tompokolahy; andrian’Andriamanitra no eto aminay ianao, ka aleveno amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin’ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin’ny vadinao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay hianao; koa izay tsara indrindra amin’ny fasanay no andeveno ny fatin’ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ny vadinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Mihainoa anay, tompokolahy: Andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ny fasanay no andeveno ny fatin’ny vadinao; tsy misy aminay tsy hanome ny fasany ho anao mba handevenanao ny fatin’ny vadinao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 23:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.


Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.


Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?»


Koa ankehitriny avereno amin’ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.


Tamin’izany fotoana izany dia nankany amin’i Abrahama i Abimelèka, niaraka tamin’i Pikôla lehiben’ny tafiny, ka nanao taminy hoe: –Homba anao anie Andriamanitra amin’izay rehetra hataonao.


Dia namaly azy ny terak’i Heta hoe:


Nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anoloan’ny terak’i Heta, vahoaka tompon-tany,


Ary hoy razazavavy hoe: –Misotroa, tompoko. Nampidininy haingana ny siny ho eo an-tanany, dia nampisotroiny ralehilahy.


Efa notahîn’ny TOMPO tokoa ny tompoko ka tonga olo-malaza. Nomen’ny TOMPO azy ny andian’ondry aman’osy sy omby ary koa volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy betsaka, ary rameva sy boriky.


Dia hoy i Rahely tamin’ny rainy: –Azafady eo imasonao, tompoko, fa tsy afa-mitsangana eo anatrehanao aho fa tonga fotoana. Dia nikaroka i Labàna fa tsy nahita ireo sampy.


Nanome baiko ny mpanompo voalohany i Jakôba nanao hoe: –Rehefa mifanena aminao i Hesao rahalahiko, ka manontany anao hoe: «An’iza moa ianao? Ho aiza ianao ary an’iza ireo biby fiompy mandeha eo alohanao?»


Fa novaliany hoe: –Tsia, tompoko ô! Tonga mba hividy sakafo fotsiny izahay mpanomponao.


Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan’ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!»


Fa ny vola izay hitanay tao am-bavan’ny kitapom-bary aza nentinay niverina avy any Kanahàna ho atỳ aminao. Koa ahoana no hangalaranay izay volafotsy na volamena avy ao an-tranon’ny tomponao?


Fa novaliany hoe: –Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity.


Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»


Dia hoy i Rota hoe: –Aoka ho tsara fanahy amiko hatrany ianao, tompoko, satria efa nampionona ahy ianao ary efa niteny ankamoram-po tamiko na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ireo vehivavy mpiasanao aza aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra