Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary izaho dia nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ny loholona amin’ny fireneko izany! Raha hanavotra ianao, dia avoty! Fa raha toa ka tsy hanavotra ianao dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Izaho no hanavotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eo anoloan’ny loholona amin’ny fireneko. Raha te hanavotra ianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao.» Dia hoy ny navaliny hoe: «Hanavotra aho»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ny loholona amin’ny fireneko izany. Raha hanavotra hianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra hianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy hianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary izaho dia nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ny loholona amin’ny fireneko izany! Raha hanavotra ianao, dia avoty! Fa raha toa ka tsy hanavotra ianao dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Izaho no hanavotra.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:4
12 Rohy Ifampitohizana  

–Tsia, tompokolahy, fa henoy aho! Ny saha dia omeko anao ary ny lava-bato izay eo aminy koa dia omeko anao; eto imason’ireto mpiray foko amiko no anomezako azy maimaim-poana; koa aleveno ao ny fatin’ny vadinao.


tamin’i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon’izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin’ny tanàna.


Eny, efa saika eo am-pelatanan’ny Babilônianina izao ny tanàna; koa nahoana Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, no nandidy ahy hividy io saha io ka handoa ny vidiny tolo-botsotra teo anatrehan’ny vavolombelona?


Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason’ny olona rehetra.


satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan’ny Tompo ihany, fa eo anatrehan’ny olona koa.


Dia hantsoin’ireo loholon’ny tanàna ralehilahy ka hohadininy. Ary raha miteny izy ka manao hoe: «Tsy sitrako ny hanambady azy!»,


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.


Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.


Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra