Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka.
Eksodosy 3:16 - DIEM PROTESTANTA Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandehana, vorio ny loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, no niseho tamiko ka niteny hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny manjo anareo atỳ Ejipta, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta; Baiboly Katolika «Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy Mandehana, dia angony ny loholon’ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta; Malagasy Bible Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta; La Bible en Malgache Mandehana, vorio ny loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, no niseho tamiko ka niteny hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny manjo anareo atỳ Ejipta, |
Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka.
Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Tsinjovin’ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy, dia ireo olona miantehitra amin’ny fitiavany,
Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.
Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.»
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.
Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.
Tao izy no nisehoan’ny anjelin’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.
Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra.
Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: «Tsy nisehoan’ny TOMPO akory ianao!»
Avy teo dia niara-nandeha izy mirahalahy, ka namory ny loholona rehetra tao amin’i Israely.
Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.
Koa hoy ny TOMPO hoe: –Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.
–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren’Andriamanitra hamangiana anao!
Dia nataony izany ka nampitondrainy an’i Barnabà mbamin’i Saoly ho any amin’ny loholom-piangonana tany Jodea.
Notantarain’i Simôna teo ny fomba niahian’Andriamanitra ny hafa firenena hatrany am-boalohany, hahazoany vahoaka voatokana ho Azy avy amin’ny hafa firenena.
Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon’ny Fiangonana.
Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.
Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.
Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.