Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 koa hoy Aho hoe: Hitondra anareo hiakatra Aho mba ho afaka amin’ny fahoriana atỳ Ejipta, ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin’ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 koa hoy Aho hoe: Hitondra anareo hiakatra Aho mba ho afaka amin’ny fahoriana atỳ Ejipta, ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, dia ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 3:17
22 Rohy Ifampitohizana  

Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.


sy ny Hivita, ny Harkita sy ny Sinîta,


ka nihaino ny tarainan’ireo voafonja sy namaha ny fatoran’ireo voaheloka ho faty.


Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Amin’izay ianareo dia ho afaka hiditra amin’io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dàlana ianareo satria vahoaka mafy hatoka.


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.


Nianiana tamin’ny razanay Ianao fa hanome azy ny tany izay misy anay ankehitriny, dia tany tondra-dronono sy tantely; ka nanome azy izany.


Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.


ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: ‹Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!› Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.


Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.


ary nentiny hiditra teto amin’ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.


Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.


Dia niampita an’i Jôrdàna ianareo ka tonga tao Jerikao; ary niady taminareo ny mponina tao Jerikao, toy izany koa ny Amôrita sy Perizita, ny Kanahanita sy Hetita, ny Girgasita sy Hivita ary Jebosita nefa samy natolotro tao an-tananareo ireny.


Efapolo taona no nandehanan’ny Israelita tany an-taniefitra. Lany ritra tamin’izany ny lehilahy afa-miantafika rehetra izay indray niala tany Ejipta, satria tsy nanaiky ny TOMPO ry zareo; ary efa nianianan’ny TOMPO ireo fa tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenainy tamin’ny razany fa homena antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.


Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra