Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 3:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia hihaino ny feonao izy. Hankao amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ireo loholon’ny Israely ka hilaza aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no nihaona taminay. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ny mpanjakan’i Egypta hianao sy ny loholon’ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra hianao, aoka handeha làlan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia hihaino ny feonao izy. Hankao amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ireo loholon’ny Israely ka hilaza aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no nihaona taminay. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 3:18
40 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.


Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin’i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, izay Amôrita rahalahin’i Eskôla sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin’i Abrama.


Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy


Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.


Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay.


Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.


Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.


Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: «Tsy nisehoan’ny TOMPO akory ianao!»


Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»


Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an’i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy.


Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.


Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»


Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe: –Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.


Ka izao no ambarao aminy: «Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: ‹Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.› Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.


Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tanany mitana ny tehinao ho eny ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy mba hiakaran’ny sahona ho eny amin’ny tany Ejipta.


Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra.


Fa handeha lalana telo andro any an-taniefitra izahay, ka any izahay no hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitray araka izay hotondroiny aminay.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy. –Mankanesa any amin’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.


Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin’ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.


«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.


Tsy nanontany tena akory izy hoe: Mba aiza àry izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan’olona sady tsy misy mponina?


ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.


Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.


Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra