Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia niainga izy sy ny vinantovaviny ka nody avy tany amin’ny tany Moaba. Fa reny tany amin’ny tany Moaba fa novangian’NY TOMPO ny olony ka nomeny hanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ny tany Moaba fa novangian’i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia niainga izy sy ny vinantovaviny ka nody avy tany amin’ny tany Moaba. Fa reny tany amin’ny tany Moaba fa novangian’NY TOMPO ny olony ka nomeny hanina.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:6
27 Rohy Ifampitohizana  

Nitahy an’i Sarà ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy.


Nanao voady teo i Jakôba ka niteny hoe: –Raha miaraka amiko ny Tompo ka miaro ahy amin’izao lalana alehako izao, ary manome ahy izay hohaniko sy hotafîko,


Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;


Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.


Hirotsaka an-tsehatra Ianao ka hamindrafo amin’i Tsiôna, fa tonga ny fotoana hiantranao azy; eny, izao no fotoana mety amin’izany.


Omeny sakafo ireo matahotra Azy; tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.


Hotahîko tokoa i Tsiôna, homeko ny sakafo hivelomany; hataoko voky hanina ireo mahantra ao aminy.


Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.


ka manome rariny ny ampahorîna ary manome sakafo ny noana. Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;


manisy fiadanana ny faritaninao sy mamoky anao amin’ny vary tsara indrindra,


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.


Alao amiko ny fitaka sy ny lainga ary aza omena fahantrana aho na koa harena, fa izay hanina sahaza ahy ihany omena ahy.


Ny ranonorana sy oram-panala milatsaka avy any an-danitra dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;


«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.


ka mamaly vavaka azy hoe: «Handefa varimbazaha sy divay ary menaka ho anareo AHO. Ho vokin’izany ianareo ka tsy havelako intsony holatsain’ny hafa firenena.


Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.


Omeo anay anio ny hanina sahaza anay,


–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!


Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren’Andriamanitra hamangiana anao!


Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


dia maty koa izy roa lahy, i Mahalôna sy i Kiliôna; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.


Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana,


Ary notahin’ny TOMPO i Hanà, dia nanan-janaka ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Fa i Samoela kosa tamin’izay dia nitombo teo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra