Eksodosy 18:12 - DIEM PROTESTANTA12 Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Ary i Jetro, rafozan’i Mosesy, dia nitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra. Dia tonga i Arona sy ny loholon’ny Israely rehetra hiara-misakafo amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin’Andriamanitra i Jetrô, rafozan’i Môizy. Ary i Aarôna mbamin’ny loholon’i Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin’ny rafozan’i Môizy avokoa teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Ary Jetro, rafozan’i Mosesy, nitondra fanatitra odorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Ary i Jetro, rafozan’i Mosesy, dia nitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ho an’Andriamanitra. Dia tonga i Arona sy ny loholon’ny Israely rehetra hiara-misakafo amin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra. Jereo ny toko |
Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.
Dia tonga namangy an’i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin’ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan’ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.
Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.