Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 4:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Dia nino ny olona. Rehefa reny fa NY TOMPO efa namangy ny Zanak’Israely ka efa nitsinjo ny fahoriany dia niankohoka tamin’ny tany izy ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Dia nino ny olona. Rehefa reny fa NY TOMPO efa namangy ny Zanak’Israely ka efa nitsinjo ny fahoriany dia niankohoka tamin’ny tany izy ka nivavaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 4:31
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO


Dia bevohòka i Leà, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: –Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.


Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata; ary ny Jodeanina rehetra sy ny mponin’i Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO mba hitsaoka AZY.


Herin’olombelona no miaraka aminy, fa ny TOMPO Andriamanitsika kosa no miaraka amintsika; Izy no hanampy antsika sy hisahana ny adintsika.» Dia izany tenin’i Hezekià mpanjakan’i Joda izany no nianteheran’ny mponina teo an-drenivohitra.


Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».


Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.


Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka


dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.


Hitan’ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain’ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan’ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an’i Mosesy mpanompony.


Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.


Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka.


Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.


Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay.


Dia niankohoka haingana hatreo amin’ny tany i Mosesy mba hitsaoka ny TOMPO,


Koa hoy ny TOMPO hoe: –Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.


–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!


Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana.


Tany Môaba i Nahômỳ no nandre fa notahin’ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahômỳ sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr’i Môaba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra