Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 3:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 3:15
41 Rohy Ifampitohizana  

Izao no vavaka nataony: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin’i Abrahama tompoko.


Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka.


Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanay ô, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan’ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony;


Nisy mpaminanin’ny TOMPO tao Samaria, ary Hôbeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanàna izy, ka nanao taminy hoe: –Indro fa tezitra mafy tamin’ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo. Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka-danitra ny akon’izany.


Toy ny fandroson’ny aloka ny androm-piainako; ary mihamalazo toy ny ahitra ny tenako.


Ianao kosa, TOMPO ô, manjaka mandrakizay ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.


TOMPO ô, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin’ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,


Toa efa lasa tany am-pasana aho fa novelominao indray, TOMPO ô; toa efa tany amin’ny fonenan’ny maty aho no nakarinao avy any.


Mihirà salamo ho an’ny TOMPO, ianareo mpivavaka aminy; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.


Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany amin’ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisana an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.


Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO.


Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?


Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra.


Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: «Tsy nisehoan’ny TOMPO akory ianao!»


Koa hoy ny TOMPO hoe: –Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO».


Tilikambo mafy ny anaran’ny TOMPO, ka ny olo-marina miezaka ho ao dia voaaro tokoa;


Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:


Misaotra sy midera Anao aho, ry Andriamanitry ny razako ô, satria nomenao fahendrena sy hery. Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy izay zavatra nangatahinay taminao, ka nambaranao anay ilay nofin’ny mpanjaka.


Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.


Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,


Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.


«Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak’i Jakôba anareo.


«Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba»? Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona.


Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy;


«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba!» Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika.


Ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!


«Tsy hisy mihitsy amin’ireto olona ratsy fanahy ireto hahita ilay tany soa nianianako homena ny razany.


Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.


saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra