Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
1Tantara 5:1 - DIEM PROTESTANTA I Reobena no lahimatoan’i Jakôba, satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin’ny nandotoan’i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an’i Jôsefa zanakalahin’i Jakôba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin’ny tetiarana intsony i Reobena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Reobena no lahimatoan’i Jakôba, satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin’ny nandotoan’i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an’i Jôsefa zanakalahin’i Jakôba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin’ny tetiarana intsony i Reobena. Baiboly Katolika Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny fitantaram-pirazanana ireo; Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo; La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo; |
Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
Dia bevohòka i Leà, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: –Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.
Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;
Ireto no anaran’ny Israelita tonga tany Ejipta, dia i Jakôba sy ny zanaka aman-jafiny: I Reobena, lahimatoan’i Jakôba,
Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.
Ireto no zanakalahin’i Israely: i Reobena sy i Simehôna, i Levỳ sy i Joda, i Jisakara sy i Zebolòna,
Ny an’i Hôsà, izay anisan’ireo taranak’i Merarỳ, dia nisy efa-dahy ny zanany: i Simrỳ no voalohany (tsy lahimatoa izy kanefa nataon-drainy lohalaharana),
Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.
«Ny lehilahy, izay miray amin’ny vadin-drainy, dia manala baràka ny rainy; ary samy hatao maty tokoa na io lehilahy io na ny vadin-drainy, ka hozakain’izy roroa ny ho faty.
Ireto avy ny anaran’ireo lehilahy hanampy anareo: i Elitsora zanak’i Sedeòra no avy amin’ny fokon’i Reobena;
I Kôra zanakalahin’i Jitsehara dia levita taranak’i Kehata; nitarika an’i Datàna sy i Abirama zanakalahin’i Eliaba, ary i Ôna zanakalahin’i Peleta izay samy taranak’i Reobena izay
Ny taranak’i Reobena, lahimatoan’i Israely, dia nisy ireto tarika ireto: ny Hanôkita avy tamin’i Hanôka; ny Paloita avy tamin’i Palò;
Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin’ny hafa firenena akory aza: misy anankiray aminareo manambady renikely.
Eny, ny zanak’ilay vehivavy tiany kelikely kokoa ihany no hekeny ho lahimatoa ka homeny anjaran-droa amin’izay rehetra ananany: noho izy voalohan-janany, dia azy ny fizokiana.
«Ho voaozona anie izay miray amin’ny vadin-drainy fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe; «Amen!»
Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»
I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra.
Indray andro dia nanatona an’i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin’ny fokon’i Joda; isan’ireny i Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny tarik’i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin’i Josoa: –Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea.