Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

1Tantara 5 - Baiboly Katolika


5. IREO FOKO TANY AN-DAFIN’I JORDANY I Robena
(Jereo 1,2-4 )

1 Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.

2 Fa nahery tamin’ny rahalahiny i Jodà ary izy no niavian’ny filoha anankiray, nefa an’i Josefa ihany ny fizokiana.


(Jereo Jen 46,9 ; Fanis 26,5 )

3 Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely: i Enôka, i Falò, i Esrôna ary i Karmì.


I Joela

4 Zanaka lahin’i Joela: i Samià zanany, i Goga zanany, i Semeì zanany,

5 i Mikà zanany, i Reià zanany, i Baala zanany,

6 i Beerà zanany, izay nobaboin’i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria; anisan’ny loham-pirenena Robenita izy.

7 Rahalahin’i Beera, samy araka ny fianakaviany avy, araka ny nanoratana azy ao amin’ny tetiarana, araka ny taranany: i Jehiela filohany, sy i Zakaria,

8 i Balà zanak’i Azaza zanak’i Samà zanak’i Joela, I Balà dia nonina tany Arôera ka hatrany Nebô sy Beela-Meôna,


Fonenana
(Jereo Fanis 32,37 )

9 ary ny nonenany tany atsinanana, dia hatrany akaikin’ny efitra, izay miantomboka any amin’ny ony Eofrata, fa betsaka ny andiam-biby fiompiny tany Galaada.

10 Tamin’ny andron’i Saola niady tamin’ny Agareanina izy, ka naharesy an’ireny, dia nonina tao amin’ny lainy eran’ny ilany atsinanana rehetra amin’i Galaada.


I Gada
(Jereo Deter 3,10 s; Jôs 13,24-28 ; Jen 46,16 ; Fanis 26,15-18 )

11 Ny taranak’i Gada, dia nonina tandrifin’ireo, tao amin’ny tany Basàna hatrany Selkà, dia ireto:

12 i Joela filohany, i Safàna no manarakaraka, vao i Janaì sy i Safata tany Basàna.

13 Ny rahalahin’ireo araka ny fokom-pianakaviany avy dia i Mikaela, i Mosolama, i Sebe, i Jôraì, i Jakàna, i Zie ary i Hebera, fito izy.

14 Izy ireo dia zanaka lahin’i Abihaila zanak’i Horỳ zanak’i Jerà, zanak’i Galaada zanak’i Mikaela zanak’i Jesesì zanak’i Jedô zanak’i Boza.

15 I Akì zanak’i Abdiela zanak’i Gonì, no lohan’ny fokom-pianakaviany.

16 Nonina tany Galaada tany Basàna izy ireo ary tany amin’ny tanàna momba azy sy amin’ny tanimbolin’i Sarôna, hatrany an-tsisiny. Tamin’ny andron’i Joatama mpanjakan’i Jodà, sy ny andron’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely,

17 no efa nanoratana an’ireo zanak’i Gada rehetra tamin’ny tetiaram-pirazanana.

18 Tamin’ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an’ady, 44.760 ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady.

19 Niady tamin’ny Agareanina izy ireo, sy tamin’i Jetora, i Nafisa, ary i Nôdaba.

20 Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy.

21 Dia nobaboiny ny andiam-biby fiompin’ireny, rameva 50.000, ondry 250.000, ampondra 2.000, olona 100.000.

22 Fa be maty ny olona, satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary izy ireo no nonina nandimby an’ireny, mandra-pahatongan’ny fahababoana.


Ny antsasaky ny fokon’i Manase
(Jereo Fanis 32,39 )

23 Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.

24 Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.

25 Nivadika tamin’ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan’ny tany izay naringan’Andriamanitra teo anoloany.

26 Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.


6. I LEVI Razan’ireo mpisorom-be
(Jereo Jen 46,11 ; Fanis 26,59-60 )

27 Zanaka lahin’i Levỳ: i Gersôna, i Kaata, ary i Merarỳ.

28 Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, ary i Oziela.

29 Zanak’i Amrama: i Aarôna, i Môizy ary i Maria. Zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara ary i Itamara.

30 I Eleazara niteraka an’i Finea, i Finea niteraka an’i Abisoe,

31 i Abisoe niteraka an’i Boksì, i Boksì niteraka an’i Ozì,

32 i Ozì niteraka an’i Zariasa, i Zariasa niteraka an’i Meraiota,

33 i Meraiota niteraka an’i Amariasa, i Amariasa niteraka an’i Akitoba,

34 i Akitoba niteraka an’i Sadôka, i Sadôka niteraka an’i Akimaasa,

35 i Akimaasa niteraka an’i Azariasa, i Azariasa niteraka an’i Johanàna,

36 i Johanàna niteraka an’i Azariasa, izay nanao ny fisoronana tao amin’ny trano nataon’i Salômôna, tany Jerosalema.

37 I Azariasa niteraka an’i Akitoba,

38 i Akitoba niteraka an’i Sadôka, i Sadôka niteraka an’i Seloma,

39 i Seloma niteraka an’i Helkiasa, i Helkiasa niteraka an’i Azariasa,

40 i Azariasa niteraka an’i Saraiasa, i Saraiasa niteraka an’i Josedeka.

41 Ary i Josedeka dia lasa natao sesitany, nony nampanalain’i Iaveh, hoentin-ko babo tamin’ny alalan’i Nabokodonozora i Jodà sy i Jerosalema.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra