Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 48:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay naterakao tatỳ amin’ny tany Ejipta fony tsy mbola tonga tatỳ aminao teto Ejipta aho, dia ho Ahy: Eny, ho Ahy i Efraima sy i Manase, tahaka an’i Robena sy i Simeona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka an’i Robena sy Simeona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay naterakao tatỳ amin’ny tany Ejipta fony tsy mbola tonga tatỳ aminao teto Ejipta aho, dia ho Ahy: Eny, ho Ahy i Efraima sy i Manase, tahaka an’i Robena sy i Simeona.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 48:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Tany Ejipta i Jôsefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraîma, tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Pôtifera mpisorona tao Ona.


Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.


Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian’ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin’ny faritanin’ireo zokiny ihany no handraisan’izy roa lahy ny anjara lovany.


Ny herinao no nanavotanao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba sy ny taranak’i Jôsefa. Fiatoana


Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.


Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaràn’ny foko israelita roa ambin’ny folo, ka hahazoan’ny fokon’i Jôsefa anjaran-droa.


«Aoka ho masina sady voatokana ho Ahy ianareo, satria Izaho TOMPO dia masina ary efa nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa mba ho Ahy.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: –Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.


i Elisamà zanak’i Hamihoda no avy amin’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa; i Gamaliela zanak’i Pedahatsoro no avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;


Ka ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo Tsitoha.»


dia natokan’Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa izany no safidin’ny sitrapony.


Nony efa ho faty i Jakôba, dia finoana no nitsòfany rano tsirairay ny zanakalahin’i Jôsefa; ka niankina tamin’ny lohatehiny i Jakôba no nivavaka tamin’Andriamanitra.


Koa ankehitriny, zarao ireto tany efa azo ireto ho lovan’ny foko sivy sy antsasa-pokon’i Manase.


satria ny taranak’i Jôsefa dia efa foko roa: ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraîma. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanàna honenana sy kijàna manodidina azy ho an’ny biby fiompiny mbamin’ny fananany hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra