Kanjo nahemotr’ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: –Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon’i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.
1Tantara 4:1 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Joda dia i Fareza, i Hezrona, i Karmy, i Hora ary i Sobala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Jodà: i Faresa, i Hesbôna, i Karmì, i Hora sy i Sobala. Baiboly Protestanta Malagasy NY zanakalahin’i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Joda dia i Fareza, i Hezrona, i Karmy, i Hora ary i Sobala. |
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: –Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon’i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
I Kaleba, zanakalahin’i Hetsirôna, niteraka tamin’i Hazobà vadiny: dia zanakavavy atao hoe Jerihôta, ary zanakalahy atao hoe Jesera sy Sôbaba ary Ardôna.
Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.
I Tamàra vinantovavin’i Joda kosa niterahany an’i Peretsa sy i Zera; noho izany, dia dimy ny zanakalahin’i Joda rehetra.
Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma,
Ny zanakalahin’i Karmỳ dia i Hakàna izay nampidi-doza an’i Israely tamin’ny nandikàny ny didy momba ny zavatra natokana ho an’Andriamanitra.
Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba.
Ny zanakalahin’i Eliôhenay dia fito: i Hôdavià sy i Eliasiba, i Pelaià sy i Hakoba mbamin’i Jôhanàna sy i Delaià ary i Hananỳ.
I Reaià, zanakalahin’i Sôbala, no ray niteraka an’i Jahata; ary i Jahata no ray niteraka an’i Ahomay sy i Lahada: izy mirahalahy ireto no razamben’ny tarika Tsôrehatita.
Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.
I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.
zafim-paladian’i Haminadàba, ary zafin-dorian’i Admîna, dia i Admîna zanakalahin’i Arama, zafin’i Arnỳ, zafiafin’i Hesrôna, zafin-dohalik’i Peretsa, zafin-kitrokelin’i Jodà,